Politique

Depiote Michel Ambalavato Miady ho an’ny vahoaka hatrany


  • Sabotsy 12 Jolay 2014

Tonga dia hafatra avy hatrany no nomen’ny Depioten’Antsirabe I, Jean François Michel ny Praiminisitra Kolo Roger nandritra ny fandalovany tao Antsirabe ny alakamisy 10 jolay teo iny dia ny hampandrosoana an’Antsirabe.

Ilaina amboarina ho rarivato, hoy izy, ny lalana 20 km eo ho eo manodidina an’Antsirabe mba hanamorana ny fidirany hopitaly raha sendra aretina ka mandeha fiara ireo olona satria tena ratsy avokoa izany ary manahirana. Nangataka fiara famonjena voina ho an’ny CHRR sy ny fanamaivanana ny saram-pitsaboana ho an’ireo tena sahirana, ihany koa izy. Notsiahiviny tamin’ny Praiminisitra ihany koa fa tsy mbola voaloa ny karaman’ireo sefo Fokontany ao Vakinankaratra. Omaly zoma indray dia ny Minisitry ny fambolena Roland Ravatomanga no nitondrany ny hetahetam-bahoaka ka nangatahany ny hanamaivanana ny vidin-jezika sy ny masomboly voafantina ho an’ny tantsaha, ny fanamaivanana ny vidin’ny fitaovam-pamokarana madinika, ny fanomezana famatsiam-bola madinika mivantana amin’izy ireo ary ny fanohanana manokana ireo mpianatra nahavita fianarana nisafidy manokana ny hiverina hiasa eny ambanivohitra mba hamokatra ka ma omena tany malalaka hamokarany. Nanamafy ny depiote Jean François Michel fa ny mahakasika mivantana ny vahoaka ihany no mahamaika azy fa tsy ny fisehosehoana ivelany fotsiny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT