Politique

Depiote Michel Ambalavato Asa tonga dia vavany avy hatrany


  • Alakamisy 15 Mey 2014

Vao roa volana monja no naha solombavambahoakan’Antsirabe voalohany an’i Jean François Michel Ambalavato. Taorian’ny fisantarany ny fivoriana ara-potoana voalohany taty Antananarivo dia asa tonga dia vavany avy hatrany no nataony ho an’ny tanànan’Antsirabe dia ny fanamboarana ny lalana mihazo an’Ambalavato ho any Androvakely iny.

 Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia fitaovana vaventy no nohetsehiny tamin’izany ny marainan’ny talata 13 mey 2014 lasa teo, izay haharitra andro maromaro eo ho eo raha ny nambarany. “Fampanantenana nataoko ny vahoaka ny fanamboaran-dalana ka tsy andrasako vola avy aiza ny hiandrasana an’iza aloha izany fa izay ananako no ampiasaina, ary tsy ity ihany fa ireo rehetra nampanantenaiko teto Antsirabe voalohany toy ny any Voajanahary Andranobe, Mandriankeniheny, any Mandray sy ny sisa dia hatao avokoa”.

Tsy ho vita indray mandeha akory izany, hoy izy fa ampifandimbiasina ireo Fokontany ary hovitaina avokoa, satria ezaka goavana ny hanarenana ny famotehana nataon’ny fitondrana teo aloha izay tsy nanao fanamboaran-dalana mihitsy nandritra izay 5 taona izay. Raha ity lalana eo Ambalavato ity moa dia nambarany fa hatao rarivato aoriana kely fa noho izy efa tena potika sy nanahirana dia vonjena aloha ahafahan’ireo mponina sy ny mpitatitra mivezivezy, satria efa misy ny mpamatsy vola nanaovana fangatahana ho amin’ny izay fanamboarana azy ho rarivato izay. Na izany aza dia manao antso avo amin’ireo orinasa sy mpandraharaha mbola vonona hifanampy aminy ny Depiote Michel, toy ireo efa nifanome tanana taminy, izay nitondrany fisaorana sahady.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT