Politique

Depiote Maro “Aoka izay ny fifanaratsiana, fa ny fampandrosoana no banjinina”


  • Talata 13 Mey 2014

Nivoitra nandritra ny valandresaka nataon’ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka Marohajaniaina fa tokony hajanona amin’izay ny adihevitra rehetra tsy mitondra amin’ny fampandrosoana.

 Ny fampandrosoana sy ny fanasoavam-bahoaka, hoy izy no tokony hobanjinina. Havalona hatreo, hoy ny depiote Maro ny fifanaratsiana fa ny tanjona iombonana amin’ny fampandrosoana ny Distrikan’Ambatondrazaka no katsahina. Manantena asa mivaingana avy amin’ny governemanta ny tenany ary mampanantena ny vahoaka any Ambatondrazaka fa hisy tsy ho ela ny fitsidihany ny isam-pokontany any amin’ireo Kaominina 20 mandrafitra ny Distrikan’ Ambatondrazaka. Amin’ny maha filoham-baomieran’ny fizahantany azy eo anivon’ny Antenimieram-pirenena dia ho laharam-pahamehana atsy ho atsy ny fananganana ivontoerana ho an’ny fizahantany any Alaotra, indrindra ao anatin’ny Distrikan’Ambatondrazaka. Ny vahoaka any Alaotra Izay efa miandrandra zavatra betsaka avy amin’ireo depiote nofidiny, indrindra ao anatin’izao vanim-potoana mampitotongana ny vidim-bokatra izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT