Politique

Depiote Mara Niarisy AOTRA ny programa natolotr’i Kolo Roger


  • Sabotsy 10 Mey 2014

Fotoana efa natokana hitondran’ny praiminisitra fanazavana feno ny amin’ny politika ankapoben’ny fitondram-panjakana sy handraisany tolokevitra avy aminay solombavambahoaka ity fotoana androany (omaly) ity, hoy ny depiote Mara Niarisy avy any Ankazoabo Atsimo Toliara nefa dia navela nandeha mialoha izy noho ny tsangan-tanana natao fa hoe maika hanara-maso akaiky izany vono olona mitranga any Amboasary Atsimo izany.

 Fotoan-dehibe tsy tokony ho natao tsinontsinona ity fotoana ity fa misy minisitra efa napetraka eo hisahana izany raharaha maika any Atsimo izany fa tsy ny praiminisitra akory no andeha hitolo-batana ho any. Amiko na teo amin’ny fanehoana azy izay tsy misy teny fampidirana sy laharana pejy sy torolalana akory dia tena AOTRA mihitsy iny programa natolotry ny praiminisitra iny. Raha eo amin’ny votoatiny indray dia tsy misy valaka tamin’izay efa naroso teto amin’ity andrim-panjakana ity hatramin’izay izy ity izay tsianjery be sy resabe fotsiny ka mbola AOTRA koa amiko, tsy misy noraisina. Ny depiote vitsivitsy afaka nandray fitenenana indray dia tsy mba ny soso-kevitra tena nilaina no natolotr’izy ireo fa tora-po amin’ny zava-misy any amin’ny toerana niaviany avy mba ho hitan’ny olona mivantana amin’ny TVM fa miteny izy.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT