Politique

Depiote Mandany volam-bahoaka fotsiny


  • Zoma 03 Jona 2016

Iray volana nivoriana, tsy nahalany lalàna na iray aza ny eny Tsimbazaza.Fomba fiasa sa fandaniana andro nefa ny volam-bahoaka lany ?



 Mandray vola tsy latsaky ny 3,5 tapitrisa ariary isam-bolana anefa ny depiote iray rehefa mivory tahaka izao. Iray volana nivoriana izao ny Antenimiera roa tonta, dia ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandolona, izay ao anatin’ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohany amin’ity taona 2016 ity. Misy ihany volavolan-dalàna tonga eny, toy ny lalàna hifehy ny fifamoivoizana sy ny mikasika ny Fiarovam-pirenena. Mbola dinidinika any anaty vaomiera any hatreto no natao fa tsy mbola nandalo fivoriana itambarambe azon’ny besinimaro atrehina handaniana azy. Amin’ny herinandro ambony iny no voalahatra holaniana ireo volavolan-dalàna ireo, raha ho tafita. Nailiky ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Rakotomamonjy Jean Max, any amin’ny mpanatanteraka moa ny anton’io fitarazohan’ny fandaniana lalàna io. Ny dingana telo arahin’ny volavolan-dalàna tonga eny amin’izy ireo, manomboka any amin’ny « conférence des présidents », mandalo asam-baomiera ary ny fandaniana amin’ny fivoriana itambarambe no hany nambarany. Ny tonga eny Tsimbazaza aza hatramin’izao tsy mbola nolaniana. Hivoaka eny, araka ny lokalokan’ny fitondrana, mandritra izao fotoam-pivoriana izao ihany ve ny lalàna hifehy ny asa fanaovan-gazety, izay vao nandalo ny filankevitry ny minisitra omaly, ankoatra ireo volavolan-dalàna dimy hafa nivoaka tamin’izany ?

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT