Nibirioka indray ny sasany tamin’ireo depiote.
Nisy iray nanondrana tao Moramanga ny faran’ny herinandro teo, nentin’ny alikaola ka nanao lalam-batana tamin’ny fiara tamin’ny lalana tsy azo ifanenana ka nanelingelina ny fifamoivoizana. Na dia efa nateti-pitranga tao anatin’ny fitondrana nifandimby aza ny toe-javatra toy izao ary efa niaraha-nahita hatrany fa matetika miafara amin’ny hatezeram-bahoaka dia mahagaga fa tsy mahay maka lesona hatrany tamin’ireo zava-niseho ny mpitondrantsika. Efa nanomboka nimenomenona ny olona, ary niakatra ny feo nanoloana ny fihetsik’ingahy depiote ity ary saika ratsy ny tohiny. Ireo mpitondra tokony hanome ohatra sy lesona tsara ho an’ny mpiara-belona hatrany ity no toa sendra manao izay haharatsy endrika ny fitondrana.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.