Nandritra ny fihaonana teo amin’ny governemanta sy ny antenimieram-pirenena omaly tontolo teny Tsimbazaza dia maro ireo depiote sy mahafantatra tsara ny asa aman’andraikitr’izy ireo akory.
Efa ho ny 2/3-n’ireo depiote niteny omaly mantsy dia fangatahan-javatra no tena natao, toy ny hoe : mila paompy izahay, tsy mahita TVM fa mila Emetteur, tokony hasiana poste avancé any aminay, alefaso amin’izay ilay tambin-karaman’ny sefo fokontany, rahoviana ianareo no ho avy any aminay hitsidika ny tanàna ka hahita ny zava-misy marina … Tsy hoe ratsy ny fampitam-baovao sy filazana ny zava-misy, saingy misy ny rafitra sy fotoana hahafahana manao tsara izany fa tsy hoe mandritra ny fotoana hifanatrehan’ny antenimiera sy ny governemanta no handaniana fotoana amin’ny fifandokadokafana sy ny fisolelahana. Mba fantatr’ireo depiote tsara ve ny asa andrasana amin’izy ireo ? Ambaran’ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-68 fa : « Ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona no mandrafitra ny antenimiera. Izy no mandany ny lalàna sy manara-maso ny asan'ny Governemanta ary ny fanaovana tombana ny politikam-panjakana”. Vitsy dia vitsy ireo dipiote tena manara-maso sy mitsikera ary mitondra soso-kevitra amin’ny fanatsarana ny asa sy fomba fiasan’ny governemanta. Ny ankoatra izay dia na mandoka ny fitondram-panjakana fotsiny na lany andro mangataka dia adino eo ilay asa fototra fanaraha-maso. Adidin’ireo ben’ny tanàna no miresaka sy mifampiraharaha amin’ny fitondram-panjakana amin’ny fanatanterahana ny asa tsy maintsy na tokony hatao, mpanao lalàna no asan’ny solombavambahoaka. Mazava tsara ny lazain’ny andininy faha-63 ao amin’ny lalàmpanorenana : “Ny Governemanta dia ahitana ny Praiminisitra sy ny Minisitra. Izy no manatanteraka ny politika ankapoben’ny Fanjakana. Izy no tompon’andraikitra eo anoloan’ny Antenimieram-pirenena … Ny Governemanta no mampiasa ny Fitantanan-draharaham-panjakana”. Tsy mahagaga raha tsy mirindra ny asa fampandrosoana eto Madagasikara satria ireo olona tompon’andraikitra sy manampahefana mihitsy no tsy mahalala ny zavatra tokony hataony.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.