Politique

Depiote Malagasy Ilana fiheverana ny fahaiza-manaony


  • Sabotsy 17 Martsa 2018

Tsy natao hanambaniana ny solombavambahoaka eto amintsika fa maro no zary lasa mpanarakefa fotsiny ao anatin’io antenimiera. Isaina amin’ny ratsan-tanana no mahafehy ny resaka lalàna na manana fahaiza-manao manokana.

Mahay mikabary sy malazalaza ary manam-bola dia milamina amin’ny fifidianana.  Izay matetitka no mahatonga ny fandanilaniam-poana ny lalàna mety hitera-doza ho an’ny firenena na koa tsy misy tombontsoa ho an’ny vahoaka fa natao hiarovana ny tombontsoa na hanamafisan-toerana ny mpitondra fotsiny. Adihevitra lehibe izao ny momba ny lalàna mifehy ny fifidianana, izay olona maro no nandrafitra sy namolavola azy io. Raha ny mpikamban’ny governemanta fotsiny, dia misy 31 miampy ny eo anivon’ny kabinetran’ny filoha. Azo antoka ihany koa fa niantso manampahaizana ambony momba ny resaka lalàna sy fifidianana. Ny an-kilany handinika azy kosa, dia maro no karazan’ny manao omby mahita lamasinina tsy dia mahalala firy izay toko sy andininy. Ekena fa mba misy ihany indraindray ny fampiofanana ny depiote mikasika ny lalàna saingy tsy hitovy mihitsy ny olona nandalina an’io sy ny mahazo fanofanana 10 ora isan-taona raha be indrindra. Raha resaka fari-pahalalana rahateo eto amintsika, dia mbola ny 50% mahery no tsy mahay mamaky teny sy manoratra, ary lojika no hisian’ny olom-boafidy tsy dia nandalim-pahaizana firy. Tsy voadinika tsara ny lalàna satria tsy misy te hiasa saina firy amin’io, ary maro no mety tsy hahatakatra tsara izany akory.  Rehefa ny lalàna anefa no ratsy sy tsy manjary, dia ny firenena mihitsy no simba sy tsizarizary. Hany ka ny tsy tokony hiadian-kevitra no mampisahotaka, toy ny fampidirana na tsia ny mpanao gazety. Ekena fa laniana amin’ny alalan’ny fifidianana demokratika ny solombavambahoaka, saingy ilana fiheverana ihany ny mason-tsivana isan-karazany sy ny fahaiza-manaony.


Ny avara-pianarana rehefa mahay dia mahazo karama, dia raisiny ho ampy azy izany. Maro anefa ny avara-pianarana tokony handray andraikitra mivantana amin’ny fifidianana manomboka eny ifotony mba ho fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana, hoy ny Solombavambahoaka Hermann Razafindravelo voafidy tany Fenoarivo Atsinanana izay sady mpampianatra mpikaroka ihany koa.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT