Politique

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy


  • Zoma 20 Septambra 2019

Afaka miverina depiote ireo nilatsaka hofidiana ho ben’ny tanàna raha tsy voafidy. Raha ny andininy ao amin`ny lalàmpanorenana mifandraika amin`ity tranga ity dia ny and.

 

 

faha-71 izay manambara fa “tsy azo ampirafesina amin`ny asam-panjakana na olom-boafidy hafa ankoatra ny asa fampianarana ny maha solombavambahoaka” . Efa nisy moa tranga toy izao tamin`ny fifidianana ben`ny tanàna 2015 tao Fianarantsoa. Christine Razanamahasoa, solombavambahoaka voafidy tao Ambatofinandrahana am-perinasa tamin`izany no narotsaky ny Mapar saingy tsy lany. Niverina nandray ny sezany tao Tsimbazaza anefa izy rehefa tsy lany. Ho an`ity fifidianana amin`ny 27 novambra ity dia i Roland Ratsiraka, filoha nasionalin`ny antoko Malagasy Tonga Saina (MTS) solombavambahoaka vao voafidy tao Toamasina I tamin`ny fifidianana natao ny 29 mey lasa teo, no nandrotsaka antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho ben`ny tanàna. Miandry ny fanamafisana ataon`ny CENI amin`ny 24 septambra 2019 izao raha anisan`ireo kandidà nahafeno fepetra takian`ny  lalàna mifehy ny fifidianana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiany i Roland Ratsiraka.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT