Politique

Depiote José Randrianantenaina Mijery akaiky ireo tanora


  • Alarobia 11 Oktobra 2017

Mpianatra Informatika niisa 200 mahery no indray navoaka tao amin’ny kaominina Ambano, distrikan’Antsirabe faharoa ny sabotsy 7 oktobra 2017 lasa teo.

Hetsika nokarakarain’ny solombavambahoaka Randrianantenaina José sy ny ben’ny tanàna Rakotomalala Pascal ary ny Gropy Fameno, nisahana ny asa fampianarana no nahavitana ny hetsika. Raha ny fanazavana dia roa volana no faharetan’ny fanofanana ireo mpianatra. Manomboka tamin’ny 7 ka hatramin’ny 77 taona ny mpiofana. Ny Word sy ny Exell no nisantarana azy aloha, ary hitohy amin’ny lesona hafa mandra-pahain’ny ankizy sy ny mpiofana. Nanambara ny ben’ny tanàna fa na nanana faniriana aza izy ireo dia tsy afa-nanoatra raha tsy teo ny fanohanana avy tamin’ny solombavambahoaka. Ity farany izay nanamafy fa mbola hitohy ny fanohanana ireo tanora. Hisy ny fametrahana solosaina maharitra ao amin’ny kaominina Ambano, noho ity kaominina ity manana tombony amin’ny fisian’ny herinaratra. Santatra ihany izao hetsika izao fa hitohy hatramin’ny fikirakirana ny Internet ny fampianarana. Ankoatra ny Informatika dia ezaka hataon’ny solombavambahoaka ihany koa ny fanohanana ny tanora amin’ny fanatanjahantena dia ny baolina kitra.

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT