Politique

Depiote Jean Nicolas Betroka Manampahaizana fa tsy ampy fahendrena i Paolo


  • Talata 12 Desambra 2017

Namita iraka nampanaovin’i Voahangy Rajaonarimampianina nizara fanampiana ho an’ny mahantra tany Beraketa kaominin’i Soanala distrikan’i Betroka no antony tsy nitenenako taorian’ireny fanaratsiana ahy nataon-dRaholinarivo Paolo mpanolotsain’ny praiminisitra Mahafaly Olivier teto Antananarivo ireny.

 

 saika tsy hamaly ny teniny aho fa tafahoatra loatra. Apetrako aminareo mpanao gazety, hoy ity depiote ity teny Antaninarenina omaly, ny fijerena manontolo ny mikasika anay mirahalahy ireo sy ny zava-bitanay avy. Tsindriako manokana fa tsy izaho olobe an’iny  distrika misy ahy iny no hamboly krizy any amin’ny tany hilevenako rahatrizay, hoy izy. Ambarako fa tsy nahafaly an’Atoa Paolo mihitsy ny nandreseko azy tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany sy ny nanalana azy teo amin’ny toerana lehiben’ny distrikan’i Betroka noho ny fanararaotam-pahefana nataony izay izaho ihany koa no anisan’ny nametraka azy teo amin’io toerana io. Tsy hamaly mivantana ny fanaratsiana ahy aho satria « acte politique » no nataony noho ny fifidianana ho avy indray fa vonona kosa ny hifanatrika mivantana aminy. Ambarako etoana fa olona manampahaizana tokoa fa tsy manam-pahendrena izy.

Misy gazetina mpanao politika koa manaratsiratsy ny asa soa ataon’ny vadin’ny filoham-pirenena ankehitriny izay ambarany fa tsy midina ifotony mijery ny vahoaka akory fa maniraka olona fotsiny nefa dia izay mihitsy no tena izy. Tsy olona hifidy akory ireo manana fahasembanana (jamba) sy ireo ankizy ary gadra nampiany ireo fa fanasoketana fotsiny no natao taminy hoe manao politika.

Farany mikasika ny fanomezana natolotry ny mpanjakan’i Dubai ho fanampiana ny traboina Malagasy tamin’ny rivodoza Enawo farany teo dia tsy azon’ny fanjakana ekena ny tetika politika ataon’i Ny Rado Rafalimanana izay kandidà filoham-pirenena nifaninana tamin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina, hoy izy.

 

NtsoavinaEvariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT