Mahoraka be ao Fenoarivo Atsinanana, eny hatrao Toamasina tampon-tanŕna koa fa mikasa ny hanolo ny lehiben’ny Faritra Analanjirofo ny fitondrana ankehitriny.
Tsy fantatra aloha na ara-teknika na ara-politika na ara-ekipa ny antony satria raha nandritra ny fifidianana farany teo dia nanao izay mety nampandaniana ho filoha an’i Hery Rajaonarimampianina ny lehiben’ny faritra ankehitriny. Raha ny angom-baovao dia miisa 20 eo ny anarana hifantenana izay ho lehiben’ny Faritra Analananjirofo, ny 5 amin’ireo ihany no zanak’Analanjirofo, fa avy amin’ny faritra hafa ny 15 ary anisan’izany, araka ny loharanom-baovao hatrany, ny solombavambahoakan’Atsimondrano Randriarimalala Harijaona na “Jaona Elite”. Vokany, manomboka miakatra ny feo any an-toerana, indrindra ireo avara-pianarana zanaky ny Faritra, fivoriana etsy sy fivoriana eroa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.