Ho fanohanana ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo-Renivohitra Ramatoa Lalao Ravalomanana amin’ny ady amin’ny Pesta ary fanamafisana ny tanjona
Fonenanana Madio Milamina antoky ny Fampandrosoana dia hikarakara fifaninana nampitondraina ny lohahevitra hoe : « Fonenana madio mba ho fampivoarana sy fampandrosoana ny tanàna » ny depiote Rasoanoromalala Horace avy amin’ny Antoko TIM eto amin’ny Boriborintany faha VI miaraka amin’ireo mpikambana ao amin’ity antoko ity eny amin’ny Boriborintany faha-6 mazava loatra. Tsy ferana ny mpifaninana fa malalaka hoan’ireo Tokantrano miisa 18.322 ao anatin’ny 31 Fokontany izay vonona handray anjara. Ho santarina amin’ny fizarana fitaovana entina manadio tanàna izany ny sabotsy heriny 11 novambra 2017 izao ho an’ireo izay tapakevitra hifaninana, ka ambara fa mbola mitohy araka izany ny fisoratana anarana ao amin’ny Birao mpiara miasa amin’ny depiote Horace. Ny olomboafidy avy amin’ny Antoko Tiako I Madagasikara dia mitana mandrakariva ilay tenin’ny Filoha Marc Ravalomanana : “Ny mahasoa ny vahoaka aloha va ny mahafinaritra azy no hatao”.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.