· Namoaka ny didim-panjakana miantso ny mpifidy handatsa-bato amin’ny fifidianana solombavambahoaka ny 27 mey ho avy izao ny governemanta. Roso amin`ny dingana samihafa amin`ny fanatanterahana izany isika, hoy ny teo anivon`ny CENI.
Hatreto tsy mbola miova ny isan`ireo solombavambahoaka hofidiana, hoy ny filoha lefitry ny CENI, Thierry Rakotonarivo. Ny fitsinjarana ny sezan`ny solombavambahoaka dia didim-panjakana raisina eo anivon`ny filankevitry ny minisitra no hahafahana mamaritra an`izany, hoy izy. Miankina amin’ny tomponandraikitra ara-politika no hamaritana na hitombo na hihena ny isan`ny depiote. Na hijanona ho 151 io isa io na dia satrin’ny governemanta ny hampihena izany tarehikmarika izany noho ny politika fitsitsiana na koa hitombo ihany koa noho ny fitomboan`ny faritra ho 23 izay hiteraka distrika vaovao ihany koa. Raha tombantombanana ny mety hitranga: na mitombo ny isan`ny depiote na tsia raha tia hitondra fanovana hampiakatra ny fetran`ny isan`ny mponina hahazoana mametraka depiote iray isaky ny distrika ny fitondrana. Raha mbola misy fanovana entin`ny governemanta entina anefa amin`izany lalàna mifehy ny fifidianana dia manana ity herinandro ity ny mpitondra hamoahana didim-panjakana mifandraika amin`izany alohan`ny hisokafana ny fe-potoana hametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ny 26 febroary 2019 ka hatramin’ny 12 martsa 2019 ny fametrahana ny antontan-taratasim-pilatsahan-kofidiana eny anivon’ny CED.
|
Hatreto ny fanovana nentin`ny solombavambahoaka tao anatin`ny lalàm-pifidianana farany teo ny fameranana indray izany lalàm-pifidianana izany toy ny tamin`ny 2013. Tsy “scrutin uninominal”, izany hoe depiote iray miaraka amin`ny mpisolo toerana azy ihany no hofidiana fa “scrutin de liste”, izay midika fa kandidà solombavambahoaka mitarika ny lisitra hofidiana miaraka ny olona maromaro ary distrika iray mila fari-pidiadiana iray. Noho izany, depiote iray ho an`ny distrika iray misy mponina latsaky ny 250 000. Miakatra ho roa kosa ny solombavambahoaka raha distrika iray raha misy 250 000 no miakatra ny mponina. |
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.