Ny olom-pirenena tsirairay avy, hoy ny depiote Helson Brisson Erafa filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Faritanin’i Toliara teny Tsimbazaza, rehefa te-hanao fampandrosoana an’i Madagasikara dia tokony
hahafantatra ny ambaindain’ny lalàna mifehy ny fitsapahankevim-bahoaka sy ny fifidianana isan-tsokajiny atao eto amin’ny firenena. Ambarako etoana, hoy izy, fa ny fitakiana “Bulletin n° 3” no efa nahazatra hatramin’izay teo amin’ny firotsahan-kofidiana amin’ny fifidianana tian-katao fa tsy tokony hisy izany fitakiana “Bulletin n° 2” izany. Amiko koa, hoy izy, dia hisy foana ny kandidà tsy miankina fa mila kosa ny “parrainage” na fiantohan’ny olom-boafidy avy amin’ny Faritra misy azy 10 hoan’ny kandidà amin’ny “legislative” ary 150 amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena mba hitarafana fa manana lanjany tokoa io kandidà io any amin’ny misy azy any. Eo amin’ny resaka fandriampahalemana indray dia ambarako etoana fa efa misy sy efa mihatra ny dina raha any amin’ny Faritra Atsimon’i Madagasikara iny saingy ny fankatoavan’ny fitsarana mahefa azy no misy indro kely ka manaitra ny praiministra lehiben’ny governemanta ny tenako, hoy izy, fa io dina io ihany no mampisy fandriampahalemana eto amintsika ary tena ilaina tokoa izany fandriampahalemana izany amin’izao andron’ny fifidianana izao.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.