Tsy nandany iny lalàna manome fahefana feno ny filoha iny ny antoko Tiako i Madagasikara na lany teny amin’ny antenimieram-pirenena aza.
Tsy misy intsony ny arofanina, ary tsy misy intsony ny fifandanjan’ny fahefana eto amin’ny tany sy ny firenena, hoy ny solombavambahoaka Félix Randriamandimbisoa, filohan’ny vondrona parlemantera TIM teny Tsimbazaza omaly. Manao antso avo amin’ny governemanta hanafaingana ny fifidianana solombavambahoaka izy ireo satria raha jerena ilay daty 27 mey nolazain’ny CENI iny dia efa tsy mitombina iny aminay, hoy izy. Izany dia efa misy zavatra mampiahiahy sy fampandriana adrisa fotsiny ny solombavambahoaka amin’ny filazana fa hatao ato ho ato ny fifidianana, fa lanio ilay lalàna, raha ny fahitany azy. Fandrika ho an’ny solombavambahoaka, indrindra fa ireo nandany azy ny fampifidianana ilay lalàna, fa aorian’io dia hatao ny fifidianana, raha ny fahitany azy. Ny 15 mey anefa vao mifarana ny fanitsiana ny lisi-pifidianana, ka ho 12 andro ve izany ny fifidianana solombavambahoaka? Tsy nisorona sy nivantana izy niteny fa mampiresaka sy mampiesona izany. Mikasika ny lalàm-pifidianana, izay naverina amin’ny endriny teo aloha hoe lisitra no fidiana, dia tsy manan-tsafidy izahay ary mety amin’ny TIM foana fa ny any amin’ny anatiny sy ny pitsopitson’ilay lalàna kosa dia mila fanatsarana, hoy ity solombavambahoaka ity. Ny TIM sy ny K25 rahateo dia efa miomana ary efa tena mihetsika ny isaky ny distrika sy ny kaominina. Miasa mangina, miasa am-pitoniana..manomana ny paikady amin’ny fifidianana manaraka. Na eo aza ny mety ho kajikajy maloto tiana hapetraka eto, dia toa efa mandefa ritsoka ny TIM.K25 amin’ny hoe: anareo ny “aller” fa anay ny “retour”.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.