Tsy misy atahorana ny fanenjehana ny filoha Marc Ravalomanana, hoy Randriamandimbisoa Felix, solombavambahoaka voafidy tao amin’ny boriborintany fahefatra sady filohan’ny vondrona parlematera TIM eny anivon’ny antenimieram-pirenena na dia nandeha aza ny fandrahonana ny amin’ny hisamborana azy ny herinandro lasa teo.
Tsy adala ny vahoaka fa samy nahalala fa tsy namono olona i Marc Ravalomanana. Tifitra variraraka avy any aoriana mantsy no tena nahafaty ireny olona nanani-dapa teny amin’ny lapam-panjakana Ambohitsirohitra tamin’ny 7 febroary 2009 ireny. Mbola azo hatao tsara ny miady ara-pitsarana raha toa ka ilaina na ny manao ilay antsoina hoe : opposition. Inoako fa tsy ho tonga amin’izany ny raharaha raha tiana tokoa ny fampirindrana sy hampandroso ny fiainan’ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka. Mila fitoniana ny Malagasy, hoy izy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.