Ny 5 febroary izao no hifarana ny fotoam-piasan’ireo solombavambahoaka eny Tsimbazaza. Lany tamin’ny alalan’ny depiote miisa 96 amin’ny 101 koa moa iny omaly iny ny tolo-dalàna manome fahefana ny filoham-pirenena aorian’io daty io mandritry ny fahabangan-toerana eny anivon’ny parlemanta eny.
Efa misy amin’ireo depiote mamarana ny taom-piasany kosa no nanamafy sahady fa mbola hirotsaka hofidiana any amin’ny toerana nahalany azy. Mbola hirotsaka aho, hoy ny depioten’i Moramanga, Charles Andriamahefa. Efa saika nijanona aho teo fa ny vahoaka no tsy nanaiky. Azo lazaina ho nahafa-po rahateo, hoy izy, raha tombanana ny zava-bita tany amin’ny toerana iadidiako. Maro ny tetikasa tontosa tamin’ny alalan’ilay fanampiana ireo kaominina na CLD nitentina 300 tapitrisa ariary. Ho an’i Moramanga manokana dia teo ny lalana mirefy 38 km. Be ny sekoly vita. Ny hopitaly manara-penitra misy efitra miisa 12, Ambohibary tsena, Ambatovy. Voatsinjo koa, ny sosialim-bahoaka tao anatin’izay 5 taona izay satria raha nisy ny loza dia mba nitondra anjara biriky toy ny vary sy menaka izahay. An-dalam-pahavitana daholo ihany koa, hoy izy, ny hopitaly rehetra ao an-toerana amin’izao fotoana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.