Rehefa tonga ny volana septambra sy oktobra ka manaraka iny lalam-pirenena voalohany, faharoa, faha-44 ary faha-4 iny isika, hoy ny depiote Brunel Razafitsiandraofa, dia mahita doro tanety.
Tamin’ny 2016 aho izao, hoy izy, nandalo tamin’iny lalan’i Moramanga mihazo an’i Marovoalavo iny dia nahita fandrehetana ala izay toy ny voarefy tsara mihitsy ny elanelan’ilay afo. Toy izany koa ny eo Moramanga mankany Ambatondrazaka dia toy ny hoe misy elanelany voarefy mihitsy ny fandrehetan’afo amin’iny ala kininina manaraka ny RN 44 iny. Toy izany koa ny mihazo an’Anjozorobe. Ny dikan’izany, hoy ny depiote Brunel Razafitsiandraofa, dia misy rafitra mipetraka any ambadibadika any voairaka hanimba ny tontolo iainana eto fa isika mihitsy no variana ary tsy taitra koa ny tompon’andraikitra. Tokony ho ny mpiray tanindrazana rehetra no mamolavola paikady mifantoka amin’ny fiarovana sy fanarenana ny tontolo iainana eto Madagasikara. Na ny governemanta aza aloha dia tsy tokony hieritreritra zavatra hafa ankoatry ny famahana izay olana mikasika ny tontolo iainana izay.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.