Politique

Depiote Andrianarivo Hary “Tsy mitady toeran-kafa aho”


  • Zoma 24 Jona 2016

Nanambara mazava nanoloana ny mpanao gazety, ny depiote Andrianarivo Harimampianiana Razakarivelo voafidy tany amin’ny distrikan’Ambositra Faritra Amoron’i Mania,

fa tsy mikendry ary tsy mieritreritra haka toeran-kafa eo amin’ny fitondrana ankoatra ny maha solombavambahoaka azy izy amin’izao fotoana izao. Nolazainy fa ny hampandroso ny faritra misy azy no tarigetra  nirotsahany hofidiana solombavambahoaka ary dia ampy azy hanaovana izany io toerana azony io. Tena mihetsiketsika fatratra tokoa ankehitriny ity depiote ity amin’ny fanohanana ireo hetsika samihafa karakarain’ny fikambanana misahana ny lafiny rehetra  na  ny rafitra fanatanjahantena isanisany koa.  Ankoatra ny maha olon’ny mpanao lalàna azy dia fantatra fa mpandrahara manana ny hoenti-manana amin’io fanohanana hetsika hampandrosoana ny Faritra niaviany io. Ny farany, fantatra izao ny hanohanany mavitrika ny hetsika Angaredona andiany faha-13 hotontosaina any Ambositra  renivohitr’i Amoron’i Mania ny 11 ka hatramin’ny 16 jolay 2016 ho avy izao.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT