Politique

Depiote Andriambelosoa Barijaona Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany


  • Alarobia 17 Febroary 2016

Nodimandry omaly talata 16 febroary 2016, antoandro, i Andriambelosoa Barijaona rehefa nolazoin’ny aretina fotoana naharitra.

 

 Nialana nenina tao amin’ny hopitaly Befelatanana, saingy tsy tana ny ainy. Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Fandriana tamin’ny 2007 izy, ary mpikambana tao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny Movansy Ravalomanana. Teraka tamin’ny 6 mey 1965 i Barijaona. Efa lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana tany Fandriana, faritra Amoron’i Mania izy talohan’ny naha Parlemantera azy. Niala omaly hariva teto an-drenivohitra nihazo an’Antanifotsy Vakinankaratra ny nofo mangatsiakany. Any an-tanindrazany any Ambatomena Antsirabe kosa no hanaovana ny fandevenana. Namela mananontena sy kamboty roa lahy i Andriambelosoa Barijaona izao izy nodimandry izao.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT