Avy dia any ambovonana ny tenin’i Marc Ravalomanana ny sabotsy teo raha niditra an-tariby nivantana niteny nandritra ny hetsika lehibe nataon’ny Rodobe tao amin’ny Magro Behoririka.
Tsy niolakolaka ny teniny nanankiana ampahibemaso an’i Denis Andriamandroso sy i Zina Andrianarivelo ho mpanova ny tatitra tonga any amin’ny SADC sy ao anivon’ny Firenena Mikambana. Ambasadaoro Malagasy tatsy Afrika Atsimo i Denis Andriamandroso, raha teo anivon’ny Firenena Mikambana i Zina Andrianarivelo. “Tsy fantatro ny antony, na ny firehana politikan’izy ireo fa mahamenatra satria ny vahiny no milaza fa inona no nahatonga ireo hanao izany nefa ambasadaoro taloha ary nianatra sy tafita”, hoy i Marc Ravalomanana. “Ilaizao zareo ireo na ny havany fa tsy mety ny ataony”, hoy ity nanohy ny teniny. Novantaniny mihitsy aza fa “ireo no namadika ka nazahon’ny FAT fanasana nandehanana tany Torkia, sy tany New York tamin’ny 2009 ireny”.
Tamin’io sabotsy io koa ny filoha Marc Ravalomanana no naneho ny heviny voalohany mikasika ny fanapahan-kevitry SADC nandritra ny fihaonambe faha-31 nataony tany Luanda ny 17 sy 18 aogositra teo. “Mety ary mifanandrify amin’ny hetahetan’ny Malagasy ireny tapaka ireny”, hoy izy. Aminy dia ny mpanao politika izany izao no miara-mametraka ny sori-dalana eken’ny rehetra. Tompon’andraikitra isika Malagasy, hoy izy fa manampy ihany no ataon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. “Mila atao haingana io satria sahirana ny Malagasy ary marary i Madagasikara. Ho avy izahay, ary an-databatra boribory no hifampiresahana fa ny hafa mandany andro. Aleo hifamela fa mijaly ny vahoaka !”, hoy ny filoha Marc Ravalomanana. Nohamafisin’ity farany koa fa “tsy ny mpanelanelana, izay lasa mpitsara intsony izao no mandray an-tanana ny raharaha Madagasikara fa ny Troïka”.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.