Feno hipoka ary nidorehitra mena tao amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy teo.
Tsy nitsahatra nihaodihaody teny an-toerana koa anefa ny Emmo-Reg ary nitoby tamin’ny toerana samihafa teto afovoan-tanàna io andro io. “Misy jiolahy angaha ?”, hoy i Camille Mektoub nahita izany. Marina fa baiko no azonareo ary mpanatanteraka ianareo fa mba afaka misaina sy mandinika ihany angamba satria misy hatramin’ny zokiolona ato (Kianjan’ny Magro) ka ho maro no ho lavo raha sanatria … nefa tsy hampihemotra ny vahoaka izany, hoy izy. Porofo izao fa tsy mitombina ny tatitra nomen’ny FAT tany amin’ny Troika sy SADC fa hoe malalaka ny fanehoan-kevitra eto Madagasikara, hoy i Zafilahy Stanislas. “Feno miaramila ny tanàna, koa mijanona an-kianja isika satria tsy hay ny zavatra efa noketrehan’izy ireo”, hoy izy. Tsy hanakorontana rahateo no tanjon’ny Ankolafy 3. Voaporofo izao fa mbola eto amin’ny Magro no misy ny kianjan’ny demokrasia, hoy i Rostand Randriampilamanana toa namintina izay rehetra izay.
Hiandry anay eo foana izany ianareo miaramila ireo mandritra ny herinandro dia ho hitan’ny “Amnesty International” sy ny Troika fa lainga ilay demokrasia voalaza. Niditra an-tariby nivantana avy any Afrika Atsimo ny filoha Marc Ravalomanana tamin’io andro io, ary nanisy resaka mikasika io ramatahora io. “Zava-dehibe loatra ny hampisehoana amin’ireo iraka sy ireo delegasion’ny Troika ireo fa tsy mifanandrify amin’ny zava-misy ny zavatra lazain’ny FAT”, hoy izy. Teny fampieritreretana ihany koa no nataony ho an’ny miaramila mba hitandremana tsara amin’ny fihetsika sy ny zavatra atao sao vidian-dafo, hoy izy. Noraisiny ho ohatra ny zava-nisy tany Jerosalema fa nidina an-dalambe ny olona naneho hevitra, nilaza ampahibemaso ny zavatra takiany, ka “tsy mety raha ho any Ambohijatovo ny vahoaka dia ianareo miaramila no tonga mialoha manakana”, hoy hatrany ny filoha Ravalomanana.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.