Politique

Demokrasia Tsy mbola zakan’ny toetsaina Malagasy


  • Talata 09 Febroary 2016

Manimba ny fiarahamonina eto Madagasikara ny fampanjakana ny demokrasia eto amintsika, hoy ny mpitarika ny Jodaisma Mesirima.

 

Tsy mahasoa sady tsy zakan’ny toetsaina sy ny fomba amam-panao Malagasy mantsy io foto-kevitra niainga avy any Etazonia io. Mandranitra ady sy tsy fifanajana eo amin’ny mpiara-belona ny fahalalahana miteny miaraka amin’ny fahazoana maneho hevitra be loatra. Tranga mifanohitra amin’ny voalazan’ny Lalàmpanorenana, ohatra, ny fahafahana mitsikera mivantana ny filohan’ny Repoblika izay raiamandrenin’ny vahoaka Malagasy. Tsy mahatsara zavatra rahateo ny mamoaka teny tsy voahevitra amin’ny alalan’ny fampahalalam-baovao. Ny antony dia samy tsy mahazaka demokrasia avokoa na ny mpitondra sy ny mpanohitra eto Madagasikara, hoy ny Cohen Bera. Azo ampiharina tanteraka eto amintsika anefa ny demokrasia raha voarafitra tsara amin’ny alalan’ny fampihavanam-pirenena ny lalam-pifidianana ifanarahan’ny mpifaninana rehetra te hitantana ny firenena.


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT