Politique

Demokrasia sy fanjakana tan-dalàna Ratsy laza hatrany i Madagasikara


  • Alatsinainy 10 Febroary 2020

Ratsy laza hatrany i Madagasikara raha resaka demokrasia sy tany tan-dalàna no resahina.

 

Raha ny ara-politika, dia efa voafaritry ny lalàmpanorenana nataon’ny fanjakana ankehitriny fony izy ireo teo amin’ny tetezamita ny sata mifehy ny mpanohitra, saingy izy ireo no nikendry ny fanovana sy ny nisakana ny fampiharana azy. Miharihary eto ny adina andrim-panjakana matoa ny antenimierandoholona nitory ny filoha noho ny fahitana fandikan-dalàna. Tena neken’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana fa nisy tokoa ny tsy fanajana ny lalàna velona, saingy tsy nisy ny sazy nifandraika tamin’izany fa fanatanterahana ny tsy natao no didy  navoaka. Ireny niaraha-nahita ireny ny fifanolanana teo amin’ny fitsarana sy ny antenimieram-pirenena teo amin’ny tsindry hamoahana depiote voarohirohy tamina afera maizina nialoha ny naha depiote azy, saingy ny andrim-panjakana no mijoro sy manery mivantana fa avoahy ireo depiote. Ny minisitry ny fitsarana no voaisotra tamin’ny toerany satria sahy nanitrikitrika fa tsy voabaikonareo ny fitsarana fa manana ny fahaleovantenany.  Nomena fahafahana vonjimaika indray ny depiote Raveloson Ludovic Adrien dit Leva tany Mahabo, saingy tsy hita popoka. Tsindry avy aiza no namoahana azy ? Tany aloha, dia efa nisy ilay lehilahy antsoina hoe Haja Manantena voarohirohy tamin’ny fakana an-keriny tany Toamasina. Navotsotry ny mpitsara, ary afaka nirotsaka depiote lisitra faharoa, ary taty aoriana dia tao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza no narahi-maso sy nosamborina tsy lavitra teny. Mbola tany tan-dalàna ihany ve i Madagasikara ? Ny resaka ady tany any Mampikony dia fanapahan-kevitry ny OMC (Organe mixtes de Conception) no manakona didim-pitsarana. Ampahany ireny fa maro ny endri-javatra maneho tsy fisian’ny fanjakana sy tany tan-dalàna eto. Manaratsy endrika sy laza ny firenena Malagasy io, ary anisan’ny mahatonga tsy fitokisan’ny mpiara-miombon’antoka ka fandavana diplomatika no setrin’ny fangatahana ary fampanantenana no betsaka.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT