Hankalazaina anio zoma 15 septambra ny andro iraisam-pirenena momba ny demokrasia. Teny anisan’ny malaza indrindra manerantany, saingy toa samy manana ny fandraisany sy ny fandikany azy ny isam-pirenena sy ny isam-batan’olona.
Ny 16 septambra 1997 no nambara tamin’ny fomba ofisialy tany Le Caire Ejipta ny fanambarana iraisam-pirenena momba ny demokrasia , izay misy fizarana 3 sy andininy 27. Voalaza ao ny fototra iorenan’ny demokrasia, ny fomba fiasan’ny fanjakana demokratika sy ny fivelaran’ny demokrasia eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Miorina amin’ny resaka fahafahana, fitoviana, fangaraharana sy fandraisana andraikitra ary fanajana ny fahasamihafan’ny hevitra amin’ny anaran’ny tombontsoa iombonana ny demokrasia. Tanjona ny handrindrana sy handaminana ny fiarahamonina mba hahafahana miara-miasa amin’ny fanatrarana tanjona dia ny tombontsoa ho an’ny besinimaro. Mety tanteraka ihany any amin’ireo firenena sokajiana ho mandroso ary manana ny rafitra rehetra ny demokrasia. Mbola mijanona ho nofy sy tanjona fotsiny ihany ho an’ny firenena mahantra sy am-pikarohana ny lalana handrosoany toa an’i Madagasikara. Tamin’ny 1993 no efa nantsoina « Rain’ny Demokrasia » ny Profesora Albert Zafy rehefa nitsangana ny repoblika faha-3. Raha ny zava-nitranga hatramin’izay ka hatramin’izao taona 2017 izao anefa dia mbola mivoaka sempotra amin’ny fampiharana ny demokrasia i Madagasikara. Toa lasa fomba fiteny fotsiny ary atao fitaovana politika hambaboana ny fon’ny olona sy hampanofinofisana paradisa tsy hita maso ho azy ilay demokrasia. Nihemotra i Madagasikara fa tsy nandroso. Miteraka korontana sy fifandirana foana ny fifidianana. Misy fotoana lasa fanjakan’i Baroa samy manao izay tiany ny fandraisan’ny olona ny demokrasia. Mifangaro ao an-tsain’ny Malagasy ny fanajana ny lalàna sy ny didy jadona. Areti-mikiky tsy mety ahitam-panafana rahateo ny kolikoly amin’ny sehatra rehetra eto amin’ny firenena ary io no tena manapoizina ny demokrasia ka lasa demokrasian’ny manampahefana. Lasa mpanofana fitondrana ny parlemanta roa tonta fa tsy tena ahitana adihevitra matotra. Izay mitondra dia tsy maintsy mikitika lalàmpanorenana sy lalàm-pifidianana foana ka mandringa hatrany ilay fifidianana madio sy mangarahara sy tsy misy fanilihana. Na inona na inona resaka sy fihetsiketsehana atao, dia mbola taraiky aloha i Madagasikara ary anisan’ny antony nahatonga izany ny tsy fahaizana nampiasa ny demokrasia sy ny fanararaotana ny fahabadoan’ny vahoaka mpifidy. Maro ireo mihevitra fa sao dia tsy mety amintsika Malagasy ary ity demokrasia demokrasia ity e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.