Politique

Demokrasia Mbola lavitr’ezaka ny antsika Malagasy


  • Alarobia 01 Aogositra 2012


 Tsy lesona ianarana any am-pianarana fotsiny ihany izany fa ampiharina amin’ny fiainana andavanandro. Nijery izany tany an-toerana ny mpanao fanadihadiana ara-piarahamonina, Paul Rabary. Zavatra maromaro, araka ny fanazavany no azo notsoahina. Ao anatin’izany ny fahalalan’ny vahoaka amerikanina sy ny mpitondra ao aminy ny tantara. Heverin’ity mpandinika ity ary fa tokony haverina amin’ny toerany ny fahatsiarovana ny tantara. Ankoatra izay dia mahafantatra ny lalàmpanorenana ao aminy ny vahoaka amerikanina izay anisan’ny zavatra hasininy mihitsy ankoatra ny saim-pireneny.

Misy andininy 7 ao anatin’ny lalampanorenany ary ahitana fanitsiana 27. Ny eto amintsika kosa anefa, hoy izy, dia lesoka goavana ny tsy fahalalan’ny Malagasy, na ny mpitondra na ny entina izany lalàmpanorenana ahitana andininy 147 izany. Tsy manaja azy io ny Malagasy. Ho an’ny Amerikanina, araka ny fanazavana ihany dia ny Kongresy na ny Parlemanta no mandrafitra, ny prezidansa sy ny goveremanta no manatanteraka ary ny fitsarana no mijery. Ny eto amintsika anefa dia mivangongo amin’ny filoha avokoa na ny fandrafetana na ny fanatanterahana na koa ny fijerena sy fanaraha-maso. Manoloana ireo rehetra ireo dia tsy mahagaga loatra raha efa lasa lavitra ry zareo be kintana amin’izany hoe fiainana ny demokrasia izany raha mbola lavitry ny afo ny kitay ho antsika Malagasy. Marihina fa tetsy amin'ny ivontoerana natokana ho an'ny asa fanaovan-gazety Antsakaviro no nifampizaran'i Paul Rabary ity lohahevitra momba ny demokrasia any Etazonia ity omaly.

 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT