Politique

Demokrasia Lesoka ny elanelana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka


  • Sabotsy 16 Septambra 2017

Nanatanteraka andro fandinihana momba ny lohahevitra «Ny zava-misy mikasika ny demokrasia eto Madagasikara» teny amin’ny Falda

Antanimena omaly ireo fikambanana firaisamonina sivily maro ho fanamarihana ny 15 septambra andro manerantany natokana ho an’ny demokrasia. Voaresaka tao avokoa ny tontolon’ny demokrasia toy ny lafiny fitantanana, ny fisoloantena, ny fisian’ny antoko maro, ny tany tan-dalàna sy ny fanjakana tsara tantana, ny fahalalahana fototra, ny fisarahan’ny fahefana na koa ny kolontsaina demokratika. Hevitra niombonan’ny rehetra moa ny hoe efa niainan’ny fiarahamonina Malagasy hatrizay ny demokrasia. Tera-bary ihany koa anefa ny fanehoan-kevitra nandritra ity fihaonana ity. Ampahany amin’izany ireto :

Odilon Tatagera (Fikambanana Mazava JRD) : «Tsy mankasitraka ny rafitra fitantanana ny demokrasia eto Madagasikara ny 80%-n’ny vahoaka. Ao ireo tsy mahafantatra ny demokrasia fa misy ihany koa ireo tsy miraika tsotra izao noho ny elanelana be eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka. Mila mandray andraikitra ny fiarahamonim-pirenena sy ny mpanao politika mampahafantatra amin’ny mpiara-belona ny demokrasia».

Mamy Rabetokotany (filoha lefitry ny CNIDH) : «Mila miainga amin’ny firenena isanisany ny demokrasia. Manana ny foto-pisainana mampiavaka azy, ohatra, ny fiarahamonina Malagasy izay mbola hita taratra eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Adihevitra lehibe hatramin’izao kosa ny rafi-pitantanana mampifandray ny mpitondra fanjakana sy ny vahoaka tompon’ny fahefana eo amin’ny fampiharana ny demokrasia.

Nangonin-dRamano F.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT