Manoloana ny toe-draharaha politika ankehitriny dia nivoaka tamin’ny fahanginany ny antoko politika DHD na dina maha olona sy demokrasia eto Madagasikara, tamin’ny alalan’ny filohany Harinaivo Rasamoelina.
Ny fahefana iray manontolo eto amin’ny firenena mihitsy ankehitriny no eo am-pelatanan’ny filoham-pirenena, hoy izy, fa tsy izay nomen’ireo depiote azy farany teo fotsiny. Midika izany fa miha tery ny demokrasia eto Madagasikara. Miainga amina toromarik’olon-tokana ny fanapahan-kevitra rehetra. Programa saika notarihina sy miainga amin’ny taloha ihany iny nolazain’ny praiminisitra iny raha nomarihinareo. Tsy mety izany, hoy izy, ary tsy mifanaraka amin’ny mety hametrahana fitondrana azo antoka. Ny toromarika rehetra dia toy ny lasa baiko sy sazy daholo. Tokony hazava tsara anefa ny paikady sy ny loharanom-bola hanatanterahana ny tetikasa rehetra. Tsy mety amin’ny Malagasy intsony, hoy izy, raha mbola ilay antsoina hoe “filet de securite” fotsiny no hampiainana azy. Mila manova famindra, hoy izy izao fitondrana izao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.