Nampalahelo ny havitsian’ny olona tonga nifidy, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika ABA, Dany Rakotoson.
Matetika tsy maha marin-toerana ny olom-boafidy io ary tompon’andraikitra isika vahoaka. Tsy tokony ho gaga isika raha olona mpametsifetsy no lany. Mbola lavitra ny lalan-kaleha ary mbola ao anatin’ny fianarana ny atao hoe demokrasia ny Malagasy. Isika anefa tompon’andraikitra amin’izay olona mitondra antsika ka mila atao ao an-tsain’ny tsirairay izay zavatra izay, hoy izy. Ny valin’ny tsy fahatsapan’ny vahoaka ny andraikiny dia mila tsaroana hatrany fa izao fahantrantsika izao. Antony mahatonga ny antokom-bahoaka io manentana hatrany. Mampalahelo ny tena ny mahita ireo biraom-pandatsaham-bato rehetra izay mahantra. Matetika anefa izy ireny sekoly manofana ny zanaka Malagasy rehetra. Tokony hataon’ny fitondram-panjakana laharam-pahamehana mihitsy hoe satria miisa 17.000 ny biraom-pifidianana dia tokony hisy sekolim-panjakana miisa 17.000 manara-penitra koa izany hatsangana farafaharatsiny ao anatin’ny 5 taona. Efa ao anatin’ny velirano rahateo izay, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.