Politique

Demokrasia eto Madagasikara Betsaka ny milaza azy ho gaboraraka


  • Alakamisy 15 Septambra 2011

“Tsy mbola tafavoaka eto Madagasikara ny atao hoe demokrasia marina ary mitsipaka tanteraka ireo izay milaza fa izany eto amintsika ny tenako”, hoy ny olon-tsotra iray mpanaraka ny raharaham-pirenena.

 Tsy mbola tafapaka eto amintsika izany, hoy ny nambarany ary mbola mila fampianarana sy fanentanana goavana mihitsy. Tsy mitovy mantsy, hoy izy, ny tahan’ny fahazoam-baovao eto amintsika, izany hoe maro kokoa ireo mponina any ambanivohitra noho ny an-drenivohitra, izay tsy maharaka ny zava-misy marina sy izay zava-mitranga akory. Mora voafitaka izy ireny, hany ka manjary lany ho azy ny hevitra diso sy tsy mitondra amin’ny fahalalahana ary fampandrosoana. Eto mantsy dia ny maro an’isa no miresaka, kanefa ireo maro an’isa ireo mihitsy no tena tsy mahalala n’inon’inona. Torak’izany koa ny eny anivon’ny parlemanta izay mbola anjakan’ny hadisoana tafahoatra ka tena mamarina an-kady ny firenena sy ny fiainam-bahoaka. Maro amin’ireo parlementa mantsy no tsy mahatakatra sy tsy mahafantatra izay zavatra hofidiany sy hananganany tanana akory fa tratry ny fitaka sy ny lainga afafy aminy ka mifidifidy fahatany. Araka izany dia nilaza ity olon-tsotra ity fa mbola demokrasia gaboraraka no eto, izay ilaina ny fandraisana sy fanetren-tenan’ireo mpitondra fanjakana tanteraka.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT