Politique

Delestazy lavareny Hampiongana ny fitondrana HVM ?


  • Alakamisy 09 Febroary 2017

Nirefotra ny lakrimozenina teny Ampasika sy Antanikatsaka Itaosy manakaiky ny Horizon omaly hariva.

 

Nirotsaka an-dalambe ny mponina naneho ny hasosorany noho ny delestazy efa ho ora 10 isan’andro. Efa tsy rariny intsony, hoy izy ireo, satria tena mitondra faisana iny faritra Ampasika, Anosimasina sy Itaosy iny. Tokony ho tamin’ny 7 ora hariva no tena nanomboka nafana ny hetsika. Voalaza fa nisy ireo taksibe mampitohy ny renivohitra amin’Itaosy no voatorabato ka niteraka fahasimbana. Tonga ny Emmoreg nandrava ny fidinana an-dalambe. Midika izany fa manomboka mijoro amin’izay ny olona eto Antananarivo fa efa tena tsy rariny intsony ilay delestazy, ity izany izao no fihetsehana faharoa somary henjankenjana teto Antananarivo tato anatin’ny herinandro taorian’ny nataon’ny mpianatra teny Vontovorona. Mbola hihamafy anefa ny fahatapahan’ny herinaratra satria ho an’i Soanierana sy ny manodidina iray tarika aminy izao, ohatra, dia ho tapaka ny jiro anio alakamisy 9 janoary amin’ny 6 ora sy sasany maraina ka hatramin’ny 11 ora sy sasany antoandro. Avy eo mbola ho tapaka indray manomboka amin’ny 3 ora tolakandro ka hatramin’ny 10 ora alina, izany hoe delestazy mandritra ny 12 ora no hitranga ao anatin’ny 24 ora. Ary ny tena loza dia ao anatin’ny ora fiasana (Heure de bureau) mihitsy io fahatapahana io. Mety hitovitovy amin’io ihany ny fahatapahan’ny herinaratra amina faritra maro eto Antananarivo, araka ny fanadihadiana natao.

Fanapotehana

Fampandrenesana mba iomanan’ny rehetra aloha izao no azonay atao, hoy ny avy ao amin’ny Jirama fa tsy misy ny hoe vahaolana maty paika amin’ny delestazy. Tsikaritra fa efa mihoatra ny fahefan’ny Jirama ity resaka ity, tsy miankina intsony amin’ireo mpiasa na ny mpitantana fa misy resaka efa tena avo lenta. Voalaza aza fa misy ambadika politika sy ara-toekarena goavana ity resaka delestazy ity ka ny tanjona dia ny hampandohalihana sy hanapotehana tsotra izao ny Jirama sy ny hahatezitra ny mpanjifa amin’izay mora ny hividianan’ny orinasa tsy miankina vahiny ny Jirama. Ny olon-tsotra moa tsy te hahalala izany fa ny vahaolana mahomby no tadiaviny satria efa tena mahakasika ny asa fitadiavana sy ny fidiram-bola isan’andro ny delestazy; maro ireo manomboka very asa, simba ny entana ho an’ny mpivarotra mila vata fampangatsiahana, mihena be ny vola miditra ho an’ny mpanety sy mpanao volo sy ireo miasa amin’ny cyber manao internet sy resaka photocopie. Vao miha mahatezitra ny olona ny fahitana fa mirehitra tsara ny jiro ho an’ireo manan-katao sy orinasa lehibe afaka mividy gropy, tahaka izany koa ny tranon’ireo manampahefana fa dia ny vahoaka ihany no mitondra faisana. Atahorana hiitatra ary ho lasa zavatra hafa izao hetsika teny Ampasika omaly izao raha mitaredretra mitady vahaolana ny fitondram-panjaka. Ity delestazy ity mihitsy no mety hitarika hetsi-bahoaka hampirodana io fitondrana io, hoy ny resaky ny olona teny Itaosy teny halina.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT