Ny lapan`Andafiavaratra no handray ny fifampidinihana ho amin`ny alatsianiny 18 novambra izao miaraka amin’ny solontenan’ny fitondrana frantsay ny mikasika ireo Nosy Malagasy (Iles éparses) aty
amin’ny ranomasimbe Indiana. Iany fa 40 taona aty aorian`ilay fanapahan-kevitra no raisin`ny firenena mikambana tamin`ny taona 1979 momba ny tsy maintsy hamerenan`ny frantsay ireo nosy Malagasy. Ny fanapahan-kevitra noraisin`ny firenena mikambana no zava-dehibe indrindra mialoha ny fifampidinihana noho ny maha antsika Malagasy ny Iles Eprases, hoy ny mpahay tantara, Jeneraly Desirè Ramakavelo. 30 taona taorian`io fanapahan-kevitra io vao namoaka lalàna ny frantsay fa azy ireo ny “Iles Eparses”. Tsotra ny paiakady, averina hatrany ny fanapahan-kevitra satria tsy mitombina ny lalàna navoakan`ny frantsay ny taona 2007. Nohamafisiny kosa fa olona mahavita hiatrika ireo solontena frantsay no ilaina hiady hevitrra mandritra ny fotoana. Solontenan`ny vahoaka miisa 27 tapitrisa izy ireo. Famerenana ny fiandrianam-pirenena sy famohazana ny fitiavan-tanindrazana ho an`ny vahoaka Malagasy ny fitakiana ireo nosy manodidina, izay an`i Madagasikara, hoy hatrany ny fanazavana.
Ireo Delegasiona
|
Ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Christian Ntsay no mitarika ny delegasiona Malagasy hiafampiraharaha amin’ny Frantsay momba ny “Iles Eparses”, izay ahitana an’ny Profesora Raymond Ranjeva, mpahay lalàna sady filohan’ny Akademia Malagasy, izay efa nitana andraikitra maro na teto amin’ny firenena na tany ivelany ; ny Vice-Amiral Louis Antoine de Pädoue Ranaivoseheno, Sekretera Jeneralin’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena ; ny Capitaine de Vaisseau Randrianantenaina Jean Edmond, Tale Jeneralin’ny APMF (Agence Portuaire Maritime et Fluviale) ; Dokotera Tehindrazanarivelo Djacoba Liva, mpampianatra lalàna iraisam-pirenena, ny lalàna afrikanina any amin’ny oniversite any Soisa, izay efa nandray anjara tamin’ny famahana ireo olana maro taty Afrika. |
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.