Politique

Delegasion’Amoron’i Mania hitsena an’i Dada Nosavaina karatra ny mpandeha, nakana vola ny mpamily


  • Alarobia 25 Janoary 2012

Manameloka tanteraka ireo niavian’ny tsy fahatongavan’ny Filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana tamin’ny sabotsy lasa teo ny ankamaroan’ny vahoaka ao Amoron’i Mania, araka ny nambaran’ny mpitarika ny mpomba ny Filoha Ravalomanana any an-toerana.

 Nahatonga delegasiona mafonja niisa roan-jato mahery teny Ivato Antananarivo Amoron’i Mania, niainga tao Ambositra ny marainan’ny sabotsy 21 janoary iny ary tonga soa aman-tsara teto an-drenivohitra ihany na dia nisy aza ny tsy nampoizina teny an-dalana. Tokony ho tamin’ny fito ora maraina dia nosakanan’ny mpanao fanaraha-maso ireo fiara mivezivezy amin’iny lalam-pirenena fahafito iny tao avaratr’Ambatolampy ny fiara iray tamin’ireo 14 nitondra ny delegasiona. Nosavaina toy ny mahazatra ny taratasin’ilay fiara. Tsy nitondra mpandeha nihoatra ny tokony hoentiny ihany koa ilay taksibrosy nofaina taorian’izany. Vita izay dia nanontany ny toerana haleha tamin’ilay mpamily ilay mpisava no nisy mpandeha iray namaly nilaza fa “hitsena an’i Dada eny Ivato izahay”. Taitra ilay mpitandro ny filaminana ka nampamono ny moteran’ilay fiara. Nosavaina kara-panondrom-pirenena tampotampoka teo ireo mpandeha tsirairay.

Rehefa samy nanana avokoa izy rehetra dia nangalàna vola 5000 Ariary ilay mpamily vao afaka nandeha. Raikitra ny fimenomenon’ny mpandeha ka voatery naloa ny vola vao lasa. Hita porofo izao, hoy ireo mpandeha fa tsy mbola foana ny kolikoly ataon’ny mpitandro ny filaminana eto amintsika, ankoatra ny fanelingelenana sy tsindry samihafa atao amin’ireo mpomba ny Filoha Ravalomanana. Tonga tany Ivato ihany ireo delegasiona avy any Ambositra ireo na dia efa ireny niaraha-nahafantantra ireny ny fahadisoam-panantenana azo. Na izany aza dia nilaza ny hanohy ny tolona ireto mpiara-dia amin’i Marc Ravalomanana any Amoron’i Mania ireto. Hisy rahateo ato ho ato ny fitetezana ireo Distrika efatra ao Amoron’i Mania hilazana ny tena zava-nisy marina tamin’iny sabotsy 21 Janoary iny. Efa nosantarina tamin’ny fandefasana ny fanazavan’ny Filoha Ravalomanana an-telefaonina tao amin’ny fahitalavitra iray eto an-drenivohitra ka nalefa tamin’ny radio tsy miankina iray tao Ambositra izany ny alatsinainy 23 janoary hariva.

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT