Anisan`ireo kandidà ben`ny tanàna tohanan`ny antoko Tia Tanindrazana Rakotondrafara Jean De Dieu na “Dede”, mitondra ny lah. faha-06 ao amin`ny kaominina Ankadimanga.
Resy lahatra izy fa ny fanabeazana, ny fitsinjaram-pahefana ary ny nomerika no vahaolana maharitra amin`ny fampandrosoana, izay fotokevitra hijoroan`ny antoko Tia Tanindrazana. Voalohany, hanamafy ny fanabeazana eo anivon`ny fiarahamonina. Hitaiza ny tanora tsy hirona amin’ny zava-mahadomelina mba haha olo-mendrika azy ireo. Hitaiza ny fiarahamonina amin’ny lafiny rehetra, hijery sy hanatsara ny toerana filalaovan’ny tanora mba hamerenan-danja ny soatoavina sy kolontsaina. Hanamafy ny fiarahamonina mirindra sy ny filaminana anatiny. Hampianatra ny fanajana ny fananana iombonana toy ny tranom-panjakana, ny fefiloha, ny làlana … Hanampy tosika ireo tanora amin’ny famoronana asa ihany koa. Faharoa, hametraka ny fitsinjaram-pahefana tena izy mba hampangarahara ny fitantanana eo anivon`ny kaominina. Hanao izay hahaleotena ny kaominina sy fitadiavana lalam-barotra (fambolena, fiompiana ary ny asa tanana). Hanamafy ny fitsipika ifampifehezana hialana amin’ny gaboraraka. Farany, miompana amin`ny nomerika ihany koa ny vinan`i Dede Ankadimanga. Horaketina ao anaty solosaina avokoa ny asa mba hamitana ny asa haingana sy voarindra. Hanampy indrindra amin`ny fitantanana mangarahara ka hampitaina ara-potoana ny vaovao tsara ho fantatra ( aterineto…) Kandidà ho ben’ny tanàna tsy miankina eo amin’ny kaominina Ankadimanga Rakotondrafara Jean De Dieu na “Dede”, kandidà lah-06. Sedra maro, fitsapana mamaivay no noraisina nanomboka ny 05 oktobra 2015 izay fotoana nidirana teo amin’ny fitantanana ny kaominina. Efa fantatra ihany ny zavatra niandry satria izy dia efa niomana ho ben’ny tanàna ary efa Ben’ny tanàna lefitra sy filohan’ny mpamboly.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.