Politique

Datim-pifidianana Valy boraingina hatrany ny an’ny mpitondra


  • Alakamisy 22 Febroary 2018

Ny minisitry ny asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy Maharante Jean de Dieu no nilaza halina fa antsoina hivory tsy ara-potoana manomboka ny alatsinainy 26 febroary ho avy izao ny solombavambahoaka sy ny loholona mba handinika ireo lalàna fehizoro 3 momba ny fifidianana.

 

 Ny maraina kosa mbola somary niolakola-pitenenana ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier fa hoe araho tsara ny vaovao fa ho avy tsy ho ela ny fivoriana tsy ara-potoana handinihana sy lalàm-pifidianana. Tsy misy ny sakana, hoy izy ary efa nakana ny hevitra sokajin’olona maro samihafa io volavolan-dalàm-pifidianana vaovao io izay nokajiana tsara mba hampilamina sy hisorohana ny fifanolanana aorian’ny fifidianana tahaka ny mpitranga hatrizay teto Madagasikara. Tetsy an-kilan’izay dia nilaza ny lehiben’ny governemanta fa adihevitra tsy mitombina ny hoe avoahy ny datim-pifidianana fa jereo fotsiny ny lalàmpanorenana. Ataovy ny kajy dia ho hitanareo ao ny daty, hoy izy. Valy boraingina foana ny an’ny mpitondra fanjakana momba io daty io. Fa fahotana ve ny manontany daty ofisialy mazava ? Ny olona ve no avela haminany ? Nahoana no tsy sahy mamoaka datim-pifidianana voafaritra mazava ny fitondram-panjakana. Sa izay ilay tsy fahamatorana miaro hafetsifetsen-dratsy amin’ny fomba fiasan’ny fitondrana HVM ? Mampitombo ny ahiahy tsy hihavanana anefa io. Inona no niandrasana ela koa vao nampiantso fivorian’ny parlemanta, efa ho iray volana mahery aty aorian’ny antso maikan’ny filohan’ny antenimieram-pirenena ny 5 janoary teny Iavoloha. Moa ve  tsy efa fantatra daholo ny olana tamin’ny fifidianana hatramin’izay, mba hikarohana ny vahaolana ? 25 ireo mpanolotsain’ny filoham-pirenena, efa manodidina ny 70 ny an’ny praiminisitra, tsy resahana intsony ireo teknisianina sy mpahay lalàna ao amin’ny minisiteran’ny atitany sy fitsinjaram-pahefana sy ny any amin’ireo minisitera hafa. Tsy ara-teknika no olana fa ara-politika amin’ny famoahana ilay datim-pifidianana ary izay anefa no mety hiteraka olana goavana avy eo satria tsy adala ka hanaiky kajikajy hafahafa eo ireo antoko politika manana kandida ary efa nivonona hiatrika fifidianana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT