Nitsako alohan’ny vazana ny minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy Henri Rabary Njaka ka sahy nilaza tamin’ny fahitalavitra Frantsay TV5
Monde ny faran’ny herinandro teo fa ny 24 novambra 2018 ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filohan’ny repoblika eto Madagasikara ary ny 24 desambra ny datin’ny fihodinana faharoa. Na ny filoham-pirenena na ny praiminisitra izay sady minisitry ny atitany na ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI), hatreto aloha, dia tsy mbola nisy sahy nanambara ny daty ofisialy fa ingahy minisitry ny raharaham-bahiny no nisolantsolana nanambara izany, amin’io mbola tany ivelan’i Madagasikara ihany koa. Afaka milaza izay tiany holazaina amin’ny datim-pifidianana tahaka ny olom-pirenena rehetra ny minisitry ny raharaham-bahiny, saingy mbola miandry ny fandinihan’ny parlemanta ireo lalàna fehizoro momba ny fifidianana isika vao mamoaka ny daty ofisialy, hoy ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly ny sabotsy teo, ary hita fa somary sorena tamin’ilay fanambaran’ny minisitra Henri Rabary Njaka ny tenany. Mazava ihany koa ny tenin’ny CENI tamin’ny alalan’i Fano Razakotondrazaka raha nanontaniana ny sabotsy hariva teo fa ny didim-panjakana mivoaka eo amin’ny filankevitry ny governemanta, miantso ny mpifidy ary milaza mazava ny daty hanatanterahana ny latsa-bato irery ihany no ofisialy sy azo ekena ho an’ny CENI. Re ihany koa fa maro ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta sy manampahefana ambony no sosotra noho iny fanambarana feno tsy fahamatorana nataon’ingahy Henri Rabary Njaka iny. Raha mba ny praiminisitra izay sady minisitry ny atitany no niteny tahaka ireny, mety azo nekena ihany, hoy ny manampahefana iray. Iny eo ihany fa ny tena nahagaga dia ny hoe : tsy mahara-baovao mihitsy ve ny minisitry ny raharaham-bahiny fa ilay volavolan-dalàna aza anie tsy mbola tonga eny amin’nyparlemanta akory, tsy mbola voadinika, tsy mbola lany ka inona no mahadedaka milaza daty. Raha nety ve izany tsy efa nambara hatry ny ela. Mazava ny resaka eto fa na namoaka tsiambaratelo ny minisitra Henri Rabary Njaka. Sa efa tsy voafehin’ny praiminisitra sy ny filoham-pirenena intsony ka manao izay tiany ? Samy loza ho an’ny fitantanan-draharaham-panjakana ireo tranga roa ireo ary toa manaporofo hatrany ny maha tsy matotra ny fitondrana HVM. I Henri Rabary Njaka rahateo moa avy talen’ny kabinetran’ny filoham-pirenena no nesorina, kanefa asa izay nanendrena azy tampoka teo indray amina toerana saro-pady ao amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny ka ireny miteniteny foana manala baraka fitondram-panjakana ireny. Tsara ho fantatra fa nihaona tamin’ny minisitry ny raharaham-bahiny Frantsay Jean Yves le Drian tamin’izao diany tany Paris izao i Henri Rabary Njaka ka asa raha misy ifandraisany amin’ilay fanambarana nataony io fihaonana io na tsia.
Namoaka fanambarana ofisialy omaly hariva ny sampana seraseran’ny ministeran’ny raharaham-bahiny Malagasy fa tombatombana ihany ny daty nambaran’ny minisitra Henry Rabary Njaka tao amin’ny fahitalavitra TV5 Monde fa ny CENI ihany no manome tolo-kevitra ho fiantsoana ny mpifidy 90 andro mialoha ny datim-pifidianana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.