Mbola miteraka resabe eo anivon’ny tontolo politika Malagasy ilay datim-pifidianana ho filoham-pirenena Malagasy navoakan’ny minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy, Henri Rabary-Njaka, tany amin’ny TV 5 Monde tamin’ny sabotsy 03 martsa 2018. Samy hafa ny fanazana nomen’ireo mpanao politika Malagasy raha tarafina avy amin’ny fanehoan-kevitr’ireo olona roa nanontanian’ny Tia Tanindrazana ireto :
Ny depiote Randriamahefa Henri Charles (FIZAFA)
« Raha araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana dia mitombina tsara ireny datim-pifidianana ho filoham-pirenena navoakan’ny minisitra Henri Rabary-Njaka tany amin’ny televiziona vazaha TV 5 Monde tamin’ny sabotsy 03 martsa ireny. Ny nampanahirana tamin’ny fanambarana nataony fotsiny dia tokony ho nifanarahany tsara tamin’ny praiminisitra Malagasy sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta ny fomba namoahany azy ofisialy ».
Randriamamizafy Ignace (CT teo aloha)
« Efa nifanarahan-dry zareo tao ambony tao iny datim-pifidianana fihodinana voalohany sy fihodinana faharoa navoakan’ny minisitra Malagasy, Henri Rabary-Njaka, tany amin’ny televiziona tsy miankina tany Frantsa iny matoa izy mahasahy mamoaka an’ireny ampahibemaso fa tsy afaka miteny amin’ny anaran’ny tenany izy amin’ny maha minisitra azy. Efa nohamafisin’Atoa Rakotonarivo Thierry filoha lefitry ny Ceni moa ireo datim-pifidianana navoakan’ny minisitra ireo. Sarotra anefa ny hino fa ho vita eo anelanelan’ny iray volana ny 1er sy 2è Tour –n’ny fifidianana ho filoham-pirenena hotanterahina ao anaty fahavaratra ary tsy ho vitan’ny HCC maimaika koa ny fandinihana an’ireo antontan-taratasim-pifidianana azony. Ka azo ambara fa manome vahana ny hala-bato ny datin’ny 24 novambra sy 24 desambra hanatanterahana fifidianana ireo ».
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.