Politique

Datim-pifidianana Mbola any an-kibon’ny omby


  • Alakamisy 26 Aprily 2012

Mitohy hatrany ny fihaonan’ireo manampahaizana avy amin’ny Firenena Mikambana, amin’ny manampahefana eto amintsika.

 Omaly izy ireo dia teny Mahazoarivo nidinika tamin’ny praiminisitra Omer Beriziky. Handinika ny zava-misy eto Madagasikara moa izy ireo, hiara-hiasa amin’ny CENIT ihany koa amin’ny fanomezana ny daty mety hanatanterahana ny fifidianana, amin’ny fotoana mahamety izany. Mifantoka amin’ny lafiny teknika tanteraka ny asan’ireto iraky ny Firenena Mikambana ireto. Tsy manana hevitra momba ny toe-draharaha politika eto Madagasikara izahay, hoy izy ireo fa dia mijery sy manadihady fotsiny ny fomba hahafahana manatanteraka fifidianana. Mijanona eo amin’ny fihaonana etsy sy eroa sy fanangonam-baovao, aloha hatreto ny asan’izy ireo. Tsy mbola tena nanomboka ny asa goavana iarahany amin’ny CENIT, tahaka ny fandinihana ny lisi-pifidianana, ohatra. Eo ihany koa ny fijerena ny fametrahana ireo rantsamangaikan’ny CENIT manerana ny Nosy, izay azo atao miandalana ary tsy tokony ho sakana amin’ny firosoan’ny asa. Hatreto aloha dia tsy mbola misy afaka maminavina ny datim-pifidianana.

Araka ny fahitana azy dia tsy mbola ho tontosa amin’ity taona ity ny fifidianana, fa dia miomana fotsiny aloha. Enim-bolana eo mantsy sisa no maina ny tany, fa aorian’izay dia efa miditra amin’ny vanim-potoan’ny orana indray isika eto Madagasikara, ny asan’ny CENIT sy ireto iraky ny Firenena Mikambana ireto fotsiny anefa dia mbola henjankenjana ihany. Etsy ankilan’izany ny fanatanterahana ilay famotsoran-keloka sy ny fananganana ilay Komitin’ny fampihavanana malagasy. Ireo anefa no miantoka ny fipetrahan’ny fitoniana eto. Raha ny fomba fiasan’ny Firenena Mikambana ihany koa no jerena dia mila 11 volana ny fanomanana fifidianana madio sy mangarahara, satria maro be ny dingana tsy maintsy arahana amin’izany. Fehiny, mbola any an-kibon’ny omby, araka ny fomba fiteny ny datim-pifidianana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT