Datim-pifidianana

> Mizarazara ny hevitry ny mpanao politika


  • Sabotsy 24 Aogositra 2013

Mizarazara be ihany ny hevitry ny mpanao politika mikasika ny tetiandrom-pifidianana nofaritan’ny CENI-T miaraka amin’ny Firenena Mikambana farany teo.

Ho an’ny ZAnak’i MAdagasikara (ZAMA) izay manana kandida depiote ao Toamasina I, dia tokony hojerena ny mety amin’ny vahoaka sy ny firenena, satria efa tena mahantra ny Malagasy. Milaza ho vonona amin’izay daty rehetra mivoaka eo kosa ny Malagasy Miray sy Mifankatia (MAMIMI). Ny tanjonay, hoy izy ireo, dia ny hisian’ny fifidianana sy ny hahavitana izany, satria mila olom-boafidy amin’izay ny firenena, mila mpitondra nofidiany ny Malagasy, ary mila izany koa ny mpamatsy vola. Na fotoan’ny orana aza no hanaovana ny fifidianana depiote tsy olana loatra izany ho anay ambonivohitra, nefa tokony hojerena ihany ireo any ambanivohitra sy ireo amin’ny toerana lavitra andriana, satria Malagasy manan-jo koa ireny. Ho an’ny Me Rasamimaka Mahefalahy (Ankolafy Ravalomanana) kosa dia tsotra ny nambarany. “Raha jerena aloha ny tetiandro nivoaka dia tsy manara-dalàna, saingy ireo vahiny moa no miteny eto na tsy manara-dalàna aza dia mety ihany satria maika, hono, ny famitana fifidianana amin’ity taona ity”. “Koa izay ve ilay malalaka sy demokratika ary eken’ny rehetra hametrahana ny fitoniana sy filaminana eto ?”, hoy hatrany ny Me Rasamimaka namarana ny fanazavany.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT