Politique

Datim-pifidianana 28 novambra 2018 ny fihodinana voalohany


  • Talata 12 Septambra 2017

Ho ampahafantarin’ny CENI na Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana ampahibemaso ny rindrambaiko na “logiciel” hikirakirana ny voka-pifidianana.

Miteraka resabe moa ny fahaleovantenan’ny CENI, indrindra io “logiciel” fikirakirana vokatra io, izay isan’ny fototry ny hala-bato ihany koa. Raha ny fanatontosana ny andraikitra voalazan’ny lalàna sahanin’ny CENI amin’ny fanatontosana ny asany, dia sahy milaza izahay fa mahaleotena, hoy ny filoha lefitra, Rakotonarivo Thierry. Nomarihiny kosa ny resaka fitantanana ara-bola sy ny fahefana amin’ny fametrahana tetiandro, izay tsy mbola ananan’ny CENI teny farany. Arakaraka ny vanim-potoana kosa ny vola laniana amin’ny fifidianana fa raha tamin’ny 2013, dia 42 miliara no nomen’ny fanjakana ary 60 tapitrisa dolara ny avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena tamin’ny alalan’ny kitapom-bola PACEM. Amin’izao dia 40 miliara ariary ny avy amin’ny fanjakana, izay efa voasoratra ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana. 12 tapitrisa dolara hatreto ny avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena, izay efa nifanaovana sonia. Tolo-kevitra efa nataon’ny CRAM (Centre de Reflexion pour l’Avenir de Madagascar) ny hoe : tsy mila mandany vola be sy miandry famatsiam-bola isika. Raha ny lafiny ara-bola, dia tsy mandany manao ahoana raha ny fanjakana no mitantana satria ny mpiasam-panjakana sy fitaovam-panjakana no hampiasaina. Noho ny fangatahan’ny sy fitarainan’ny besinimaro kosa no nizorana nankany amin’ny fananganana ny CENI satria mety hahazo tombondahiny ny kandidam-panjakana. 90 andro mialoha ny datim-pifidianana farafahakeliny ny hampahafantarana ny daty, izay tsy ny CENI no manapaka azy fa amin’ny alalan’ny filankevitry ny governemanta. Eo anelanelan’ny 25 novambra-25 desambra 2018 ny fifidianana fihodinana voalohany. Ny 28 novambra no tolo-kevitry ny CENI hanaovana izany. Araka ny lalàna fehizoro, dia tsy azo atao amin’ny fotoam-pahavaratra raha tsy amin’ny antony tsy azo hanoharana, toy ny zava-misy amin’izao, raha ny fanehoan-kevitr’i Thierry Rakotonarivo.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT