Politique

Dany Rakotoson « Tokony hisy gazety manazava lalàna amin’ny vahoaka »


  • Zoma 27 Desambra 2019

Fanontaniana mipetraka matetika ny hoe miainga avy aiza ireny tolo-dalàna tonga eny amin’ny antenimiera ireny ? Ny zava-misy dia na avy amin’ny fiarahamonim-pirenena na governemanta izany,

 

 

 hoy ny mpanao politika, Dany Rakotoson, raha nitondra ny fomba fijeriny mikasika ny fandanian’ireo antenimiera roa ny lalàna tamin’ity taona 2019 ity, indrindra ny farany teo. Ireny fiarahamonim-pirenena ireny rehefa misehatra eny amin’ny fiarahamonina eny dia mahafantatra mihitsy fa misy lalàna tokony hokarakaraina. Tsy mitovy ny fandraisan’ny isam-paritra ka ilaina ny fanadihadiana sy fandaminana ifotony ary fanazavana amin’ny haino aman-jery. Lalàna anisan’ny tokony hatolotra ny fananganana gazetin’ny solombavambahoaka, ohatra, manazava ireo lalàna holaniana mba hahafahana mifampidinika sy mifampitsikera. Ireo solombavambahoaka ireo matetika misy na manana ny atao hoe “assistant parlemantaire” aza manampy azy dia tokony hezahana velarina amin’ny vahoaka ny zavatra tiana hotapahana mba tsy hatahorana ho tsy azo iverenana intsony na handany fotoana sy volam-panjakana tsy amin’ny antony. Mila tadidiana fa firenena mahantra isika, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT