Anisan’ireo resy lahatra ny pastera Daniel Rajakoba, filohan’ny antoko Fihavanantsika, fa tsy tokony ho maika amin’ny fifidianana aloha isika eto Madagasikara fa kosa mikaroka ny hevitra mba hilaminana sy hihavanana.
Mba hahatanteraka izany dia miantso ny FFKM ny tenany mba hikarakara fivoriana hanasana ny mpitondra fanjakana, ny mpanao politika, ny foloalindahy, ny fiarahamonim-pirenena sy ireo hery volana rehetra eto amin’ny firenena. Ireo raiamandreny am-panahy ireo no mitarika sy mandrindra ny fivoriana, hoy izy, ary amin’izay dia tsy hisy intsony ny ahiahy ny amin’ny hoe fitanilana. Mila mihavana aloha isika, vao mieritreritra izany fifidianana izany, hoy ny pastera Daniel Rajakoba. Afaka atao ny fifidianana hoy izy, ary tsy maintsy vita io rehefa terena saingy izany ve no hampilamina sy hitondra fitahiana ho antsika ?
Tsy maharitra ny fitondrana mijoro amin’ny alalan’ny fampiasan-kery, hoy hatrany ny pastera Daniel Rajakoba, ary raha tena hanarina firenena izany dia mila mifanaraka sy mihavana aloha ny rehetra. Arafitra amin’izay ny paikady sy ny fomba fiasa avy eo, ka anisan’izany ny fikarakarana fifidianana. Efa kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2001 ny pastera Daniel Rajakoba, izy dia tsy nankasitraka firy ny politikam-pitantanan’i Marc Ravalomanana ary tena nanakiana mafy ny fitondrany mihitsy aza, indraindray. Tsy mba anisan’ireo nahazo seza tao anatin’izao fitondrana tetezamita izao izy tenany, ary tsy be resaka ihany koa. Nahatsikaritra anefa izy tato ho ato fa mihazakazaka be ihany ny zava-misy ary tena miha sarotra ny toe-draharaha eto, ka dia izay no anton’izao fanehoan-keviny izao.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.