Politique

Dama Mahaleo “Mivangongo eo amin’ny filoha ny fahefana”


  • Alarobia 20 Jolay 2016

Miha mikorosofahana hatrany ny toe-draharaha politika eto amintsika amin’izao fotoana izao.

Miha very an-javony koa ny fijerena ny maha olona, hany ka lasa tsy tafiditra an-tsehatra ao anatin’ny raharaham-pirenena intsony ankehitriny ny vahoaka malagasy. Ireo no azo lazaina ho anisan’ny ventin-kevitra tamin’ny tafa manokana nifanaovan’ny gazety tia tanindrazana tamin-dRasolofondraosolo Zafimahaleo na i Dama ao amin’ny tarika Mahaleo izay efa sady solombavambahoaka teo aloha ihany koa. Ny andinindininy.

Gazety tia tanindrazana (TT) : Amin’ny maha mpahay fiarahamonina sy efa solombavambahoaka teo aloha anao, ahoana ny fahitanao ny fihetsika politikan’ny solombavambahoakantsika ankehitriny ?

Dama : Izaho dia anisan’ny namaky lay ny hoe solombavambahoaka tsy anaty antoko politika teto Antananarivo tamin’ny andron’ny Herivelona Rasalama. Tamin’ny fotoana nahatongavan’ny profesora Zafy Albert teo amin’ny fitondrana, izany hoe tao anatin’ny fitsokan’ny atao hoe “rivotry ny demokrasia” dia nisy ny famelany hoe afaka mandray anjara ao anaty raharaham-pirenena na dia tsy anaty antoko aza. Talohan’izay moa dia tsy maintsy tao anaty Mandantehezana vao afaka mandray anjara amin’ny raharaham-pirenena. Foto-kevitra “Maha olona” no nentinay tamin’izany ary io no nentinay namaky lay ny fampielezan-kevitray. Tsy mbola nisy tamin’izany ny fizarazarana vola na T shirt fa tena foto-kevitra no nentina niady, indrindra ho anay tsy miankina.

TT : Inona no lesona azonao notsoahina tamin’izany ?

Dama : Nanana toerana lehibe ny depiote tamin’izay satria izy ireo no nifidy ny praiminisitra Ravony. Araka izany dia tena nanara-maso ny asan’ny fahefana mpanatanteraka tokoa izy ireo ary tena nahatsapa ho nisolotena ny mpifidy. Rehefa avy eo moa profesora nahatsapa fa tsy ampy ny fahefany amin’ny maha filoham-pirenena azy dia naveriny indray fa ny “ ny filoham-pirenena no manendry ny praiminisitra”. Nalaina tamin’ny solombavambahoaka indray izany ilay fahefana hifidy praiminisitra fa lasa ny filoham-pirenena indray no manendry dia avy eo laniana ao amin’ny antenimiera. “Regime présidentiel” moa no nilazana azy. Niha mafy kokoa ny fahefan’ny filoham-pirenena ary nivangongo kokoa tany aminy daholo aza ny fahefana. Dia mitohy mandrak’ankehitriny moa izay ary lasa naha voafandrika antsika ho tonga amin’izao.

TT : Azonao hazavaina kokoa ve izay fandrika izay ?

Dama : Tamintsika nomena ny fahaleovantena dia notendren’ny frantsay ny filoham-pirenentsika Tsiranana, izany hoe ny fitondrana teto Madagasikara. Ny filoha Tsiranana anefa dia nasainy nanangana ny antokony. Teo no nanomboka ilay fandrika satria lasa zanaky ny filoham-pirenena foana ireo antoko politika. Tsy nisy nifandraisany intsony tamin’ny hoe MDRM na PADESM fa dia nanomboka teo ny zanaka an-trano ary lasa mialokaloka amin’ny antokon’ny filoham-pirenena daholo ny mpanao politika izay te hahazo fahefana satria lasa matanjaka be ny antokon’ny filoham-pirenena. Izao zavatra ataontsika izao izany dia vokatry ny fivangongoan’ny fahefana be loatra amin’ny filoham-pirenena, hany ka izay rehetra te hahazo fahefana dia miditra manohana ny filoham-pirenena na miditra ao anatin’ny antokony. Lasa ny fampiasana vola no tena manjaka satria tsy misy foto-kevitra intsony fa izay ahafahana miditra ao anaty fitondrana no tanjona.  Lasa ifaninanana io amin’izao fotoana izao.

Nangonin’i Mirija

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT