Hifanome fotoana eny amin’ny kianja Fofikri Ilafy amin’ity sabotsy tontolo andro ity ny fianakaviamben’ny antoko Tiako i Madagasikara eo ambany fitarihan’ny filoha nasionaliny, Marc Ravalomanana
. Nandritra ny fampielezan-kevitry ny fifidianana ben’ny tanàna tamin’ny taon-dasa no nisy ny fihaonan-dehibe farany ho an’ity antoko politika ity dia izao anio izao indray. Efa ela no tsy nifankahitana ka ho marolafy ny fandaharam-potoana, hisy aloha ny fiaahabana an’i Dada noho ny fetin’ny ray, ka tahaka ny fomba fifampitondrana hatramin’izay dia fanompoam-pivavahana no hisantarana ny fihaonana, hisy avy eo ny fifampiarahabana sy ny kabary ifandimbiasana ka andrasana izay fanambarana mety ho ataon’Atoa Marc Ravalomanana.Inoana fa manana ny fomba fijeriny ny zava-misy eto amin’ny firenena izy, mety manana soso-kevitra hamahana olana. Mitarika antoko goavana izy ka andrasan’ny rehetra ihany koa izay tena hevitry ny TIM izay manana minisitra iray ao anaty governemanta moa amin’izao fotoana. An-kilan’izay misy ihany koa ny antsojay mbola mihatra amin’ny Tiko sy ny karazana sakantsakana isan-karazany manjo ny ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra Lalao Ravalomanana. Ho hita eo izay h mbola ambaran’i Dada, izy izay efa nilaza fa kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.