Siosion-dresaka efa hatry ny ela ny firotsahan’i Dadafara na Andriamampionona Joseph Martin ho kandida filoham-pirenena.
Omaly maraina ity mpandraharaha tanora ity no nametraka ny taratasy filatsahan-kofidiany teny amin’ny CES. Ny fikambanana RTM na Refondation Totale de Madagascar no manolotra azy. Araka izany dia manana vina hitondra fiovana mahery vaika amin’ny firenena ity tompon’ny magazay “Discount Store Saturne” ity. Nilaza izy fa fomba fitantanana vaovao mihitsy no ampihariny raha izy no tonga amin’ny toeran’ny filohan’ny Repoblika. “Vao tany amin’ny 2004 aho dia efa nanomana izao filatsahako izao”, hoy i Dadafara. Mety hanova ny kajikajy politika ny firotsahany tampoka satria sady olom-baovao i Dadafara no tsy mpanao politika koa. Ankoatra izay dia mety ho tombony ho azy no maha zanak’i Fianarantsoa azy satria tsy mbola nanana filoham-pirenena mihitsy io faritany io ary izy irery hatreto no kandida avy any an-toerana. Mety ho tombony ho azy koa ny fanohanany matetika ireo fikambanana tanora ao amin’ny EKAR. Mandrapahatonga ny fampielezan-kevitra dia hametraka ireo komity mpanohana isam-paritra izy. Marihina fa manohitra ny fanemorana ny fifidianana sy ny fanalavana indray ny tetezamita amin’ny alalan’ny tetezamita faharoa koa ny tenany.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.