Noporofoin’ny Malagasy tamin’iny fifidianana teo iny, hoy Randriamampionona Joseph Martin na Dadafara fa tsy mbola te handroso izy ireo. Ireo kandida roa nahazo ny vato betsaka indrindra ireo mantsy, araka ny nambarany, dia avy amin’ireo vondrona ara-politika roa izay niteraka izao krizy ara-politika sy ara-tsosialy misy eto amintsika izao. Heverin’i Dadafara fa tsy ny iray amin’ireo kandida ireo mihitsy no afaka hampandroso ny firenena raha toa ka misy ny fahalaniany satria tsy maintsy hametraka ny valifaty politika aloha izy ireo ary tsy hamela ireo mpifanandrina aminy teo aloha hahavita hanangana zavatra eo. Olona tsy miandany amin’ny iray amin’izy ireo no ilain’ny firenena, hoy i Dadafara saingy tsy izay no safidin’ny vahoaka ka izay vokatra azo eo dia hohajain’ny rehetra.
Nofy R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.