Namory vahoaka tao Ambositra ny kandida laharana faha-11 ao amin’ny bileta tokana, Rakoto Jean Pierre ny alahady 20 oktobra lasa teo. Manan’olona Ambositra ary manana ny maha izy azy satria nahavory vahoaka izy. Ireo mpanao asa tanana sy tantsaha ary tanora no tonga maro nihaino ny fandaharan’asany tao Antamponivinany. Nambarany fa hitondra fampivoarana ny mpanao asa tanana ka hampanankarena azy ireo no hataony raha lany filoham-pirenena izy, homeny asa ireo tanora maro ary hampandrosoana amin’izay ny tantsaha maro an’isa. Mifototra amin’ny tany, fandriampahalemana ary fanomezan’asa ny fandaharan’asany ankoatra ny fanandratana ny maha Malagasy. Ny mpanakanto Jean Emilien no nanafana ny lanonana tao Ambositra.
Rado
Kandida Rakoto Jean Pierre
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.