Politique

Dada sy ny ekipany Vonona hatrany hanarina ny firenena


  • Zoma 24 Jona 2016

Mbola any Etazonia hatramin’izao ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ary raha ny fahafantarana ny fandaharam-potoanany dia any izy no hankalaza ny fetim-pirenena amin’ny 26 jona izao.

Rahampitso sabotsy 25 tokoa mantsy vao hifarana ilay fivoriambe faha 222-n’ny Presbyterian Church izay nahazoany fanasana manokana hisolotena ny Fjkm. Ankoatr’izay dia afaka nihaona sy nifanakalo hevitra tamin’ireo Malagasy monina sy miasa any Amerika ihany koa i Marc Ravalomanana ka nisy ny fotoana nifampiresahany tamin’ireo minisitra sy mpiara-miasa taminy fahiny tahaka an’Atoa isany Hajanirina Razafinjatovo, efa minisitry ny vola avy eo minisitry ny fanabeazam-pirenena, izy dia mampianatra amina oniversite malaza any Etazonia amin’izao fotoana. Teo ihany koa i Ivohasina Razafimahefa, minisitry ny toekarena teo aloha ary manampahaizana miasa eo anivon’ny tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) ankehitriny, izy mirahalahy ireto no minisitra farany teo anilan’Atoa Ravalomanana teny Iavoloha tamin’ny 2009. Mbola anisan’ny nihaona tamin’i Dada tany Etazonia ihany koa Razaka Elysée, efa minisitry ny harena ankibon’ny tany sy Marius Ratolojanahary nisahana ny fambolena sy ny fiompiana farany tamin’ny 2009. Ankoatra izay, tafaresaka tamin’i Eric Wong masoivohon’i Etazonia teto Madagasikara nandritra ny fitondrana tetezamita i Marc Ravalomanana ary tafaresaka tamina manampahefana Amerikanina, anisan’izany Atoa Johnnie Carson, sekreteram-panjakana lefitra. Voaporofo teto fa mbola tena manana ekipa matanjaka ity filoha teo aloha ity ary mafy izy raha io resaka toekarena, fikarohana famatsiam-bola sy fifandraisana amin’ny any ivelany io. Tsy izay ihany anefa fa efa nampiseho ny fahafahany mampandroso tokoa an’i Madagasikara tamin’ny alalan’ny fandaharanasa matotra sy ahazoana famatsiambola avy hatrany dia ny MAP izany ireo ekipa ireo fa tsy hoe manao resaka ambony latabatra fotsiny. Ary ny tena zava-dehibe dia tsy nisy namadika palitao ireo olona tena mahatoky sy teo anilan-dRavalomanana ary mbola vonona hatrany hitondra ny anjara birikin’izy ireo amin’ny fanarenana an’i Madagasikara.


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT