Anisan’ireo Olon’i Afrika 2017 i prezidà Marc Ravalomanana araka ny filazan’ny gazety boky African Leadership Magazine.
Mazava amin’io fa olona eken’ny iraisam-pirenena ho manana traikefa avo dia avo ity nitarika ny firenena Malagasy nandritra ny fito taona ity kanefa dia nosomparan’ireo Mpialona Avy amin’ireo Politisianina eto Antananarivo Renivohitra (MAPAR) tamin’ny taona 2009. Manaiky ireo mpanara-maso na eto anatiny na avy ivelany fa mbola manana ny maha izy azy io filoha teo aloha io. Na eo aza ny fihetsiketsehana ataon’ny avy ao amin’ny HVM dia efa hita miala any fa ho very momoka izay mety ho tetika rehetra ataony. Miseho ho tsy mitamby ny iraisam-pirenena mantsy ity fitondrana ity fa mety ho miandrandra ny vola be avy any amin’ireo tany Arabo sasany. Izany moa dia noho ny torohevitra ataon’ny adian’olom-bitsy manodidina ny ao an-tampony ao amin’ny fomba rehetra hampandresena ny sasany eo am-perinasa. Andrana fotsiny ireny vary lo ireny fa ny manetsabe mbola ho avy. Manampahaizana amin’ny fanodinana vola tsy fanta-piaviana ny banky sy tahirim-bola any amin’ireo firenena arabo sasany, mihevitra ihany koa izy ireo fa tsy mifankaiza amin’ireo mpitondra ao Seychelles ny eto fa matim-bola koa dia mora ambakaina. Ao amin’io nosy rahavavy io dia efa maro ny tany no efa lasan’ny mpandraharaha arabo avy ao amin’ny Golfe Persique ary mbola teren’izy ireo handray ireo mpanely ny fivavahana silamo io firenena katolika io. Efa hita tonga nisafo tany teto ireo Silamo sasany. Haninona marina izy ireny ? Hitondra fanampiana sy fitoniana ho an’ny fifidianana 2018 ve ? Maro ireo Malagasy na mpandraharaha na mpanao politika no efa tena mifandray toy ny mpirahalahy amin’ireo Arabo ao amin’ny Golfe Persique asa na fitiviavankely na tena resy lahatra fa avy ao ny tena misy ny saosy. Io mahita vola haingana io no tena mampalama ny sasany amintsika ka tsy mifidy izay ho namana. Afangaro ao ny varotra tsy manara-dalàna (trafika) toy ny andramena alefa any Sina, ny vehivavy aondrana makany amin’ny Arabo.
Manantena ny Malagasy rehetra fa raha tafaverina eo i Dada “Olon’i Afrika 2017” dia hisy ny fanantenana amin’ny 2018-2023 ary tsy hievotrevotra intsony ny fanjakana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.